permalien Ry Foko

Rédigé le Jeu 20 Juil, 2006 14:58:12 Ajouter un commentaire

Ry foko, mitonia                        
Mitonia raha sendra alon-drano   
Ny otakotakao                           
Aoka mba ho sarin'ady                              
Ny rangotry ny anio                     
Hanolatra atsy ho atsy               
Ka aza dia mitroatra                  
Banjino ny ho avy
                     

   Aza tomany raha nindaosin'onja
   Ilay fanantenana, vao nitsiry dia tsy hita
   Ny horohoronao, zario dobok'aponga
   Hiandrasana ny ampitso, hitondra ny maraina

Ry foko, na dia tsy mora
Izany hoe manadino izany
Dia ao ny fotoana
Hamolavola tsy hanjokaiky
Ny vetsovetsonao      
Hivadika ho hira         
Hikalo ilay mpanjaka   
Mpanjakan'ny Hazavana
 

BODO

 



Rajouter un Feedback

  • Nom:
  • Email:
  • Code Anti-Robot:
  • Feedback: